Lanonam-pianianan’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana.

Lanonam-pianianan’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana.

Notanterahina androany alakamisy 08 aprily 2021 tetsy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy ny lanonam-pianianan’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany Andrimpanjakana izany, izay natrehin’ny Filohampirenena Malagasy Andry Nirina RAJOELINA, ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAZAFIMAHEFA Herimanana, ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine RAZANAMAHASOA, ny Praiministra lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian ary ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila maro hafa.
Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovana ny famindram-pahefana ara-demokratika teo amin’ireo mpikambana teo aloha sy ireo mpikambana vaovao izay sambany nisy tamin’izany Andrimpanjakana izany.
Marihina moa fa sivy mianadahy izy ireo no mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana dimy ny vehivavy ary efatra ny lehilahy. Fito taona tsy azo ivalozana ny fepotoam-piasan’izy ireo.

Présidence de la République de Madagascar

 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *