VERY OLOMANGA NY FIRENENA: Nodimandry ny Filohan’ny CST teo aloha RASOLOSOA Dolin.

VERY OLOMANGA NY FIRENENA: Nodimandry ny Filohan’ny CST teo aloha RASOLOSOA Dolin.

« Amin’alahelo lehibe no nandrenesanay ny fahalasanan’i Jeneraly RASOLOSOA Dolin. Very Olomanga ny Firenena amin’izao fodiamandriny izao. Fony fahavelony dia nitàna andraikitra lehibe teto amin’ny Firenena izy. Ary nisahana ny fitantanana ny Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita (CST) tamin’ny andron’ny Tetezamita.
Ny Filoha, ny Birao Maharitra, ny Loholon’i Madagasikara, ny Fianakaviamben’ny Antenimierandoholona dia maneho etoana ny fiaraha-miory ary mankahery ny Fianakaviana amin’izao fahalasanan’Itompokolahy izao.
Mankahery ihany koa ny Tafika Malagasy. »

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *