FANAOVAM-BELOMA FARANY NY NOFO MANGATSIKAN’NY FILOHAN’NY CST TEO ALHA RASOLOSOA DOLIN

FANAOVAM-BELOMA FARANY NY NOFO MANGATSIKAN’NY FILOHAN’NY CST TEO ALHA RASOLOSOA DOLIN

Manoloana izao andro manjombona izao, noho ny fodiamandrin’i Jeneraly RASOLOSOA Dolin, Filohan’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita (« Conseil Supérieur de la Transition » CST) teto amin’ny Lapa maitso Anosikely, dia tonga nitsapa alahelo sy nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’Itompokolahy teny amin’ny Hopitaly Anosiala ny teto anivon’ny Antenimierandoholona, izay nahitana an’Andriamatoa FERNAND Eddie Serge Kestiora eto amin’ny

Antenimierandoholona sy ny mpiara miasa aminy izay nisolo tena ny Filohan’ny Antenimierandoholona, niaraka tamin’ny Fiombonamben’ny Antenimierandoholona (FIA) izay notarihin’ny Filohany. Marihina moa fa ny taona 2010 ka hatramin’ny taona 2014 no nisahana ny andraikitra naha Filohan’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Tetezamita teto amin’ny Lapan’Anosikely Itompokolahy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *