Faritra Itasy: Nanome toromarika hoan’ireo marary rehetra ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAZAFIMAHEFA Herimanana.

Faritra Itasy: Nanome toromarika hoan’ireo marary rehetra ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAZAFIMAHEFA Herimanana.

Nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny Faritra Itasy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Andriamatoa RAZAFIMAHEFA Herimanana, ary nampahery ireo marary rehetra indrindra ny tratrin’ny Covid 19.
Voatsidika tamin’izany ny Tobi-pitsaboana miisa roa (02), Miarinarivo sy Soavinandriana, ka toy izao ny toromarika nomeny :
– Tsy maintsy arahina ny toromarika rehetra nomen’ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA
– Ilaina ny firaisankinan’ny mpitsabo sy ny Fitondrana
– Arahina maso akaiky ireo marary mitsabo tena any an-tranony, mba tsy iparitahin’ny aretina
– Manampy antsika ny Firenena avy any ivelany, fa ny Governemanta no mamatsy ny fanafody ho an’ireo Hopitaly rehetra
– Mila matanja-tsaina ireo marary rehetra miatrika izany aretina Covid 19 izany, atao ambony tsara ny moraly
– Ny fisian’ny barazy dia ahafahana mifehy ny aretina izay efa mihanaka tokoa ao Antananarivo Renivohitra ka tokony hisy ny fifandeferana
Notsindriny manokana tamin’izany fanambarany izany fa raha vao misy fambara na tranga mampiahiahy dia tokony hanantona toeram-pitsaboana avy hatrany.
Isaorana manokana ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tànana (M.I.C.A.) sy ireo mpandraharaha nahafoy fanolorana nahafahana nitondra tolo-tànana.
Ny Filohan’ny Antenimierandoholona sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ihany koa dia nanolotra solon-dranom-boankazo ho an’ireo marary.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *