Ambasadaoro vaovaon’i Rosia: Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAZAFIMAHEFA Herimanana.

Ambasadaoro vaovaon’i Rosia: Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAZAFIMAHEFA Herimanana.

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona RAZAFIMAHEFA Herimanana, teto amin’ny Lapan’Anosikely, ny Ambasadaoro vaovaon’i Rosia miasa sy monina eto Madagasikara SEM ANDREEV Andrey VLADIMIROVICH, ny Zoma 23 Aprily 2021.
Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimierandoholona sy ny « Conseil de la Fédération de l’Assemblée fédérale de la Fédération de Russie ». Teo ihany koa ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny lafiny ara-diplômatika sy ara-toe-karena. Nanamafy ny fahavononany amin’ny fanomezan-tànana an’i Madagasikara entina hiatrehana izao ady atao amin’ny valan’aretina COVID-19 izao moa ny Firenena Rosianina.
Mahakasika ny fitsidiham-paritra izay ataon’ny eto anivon’ny Antenimierandoholona dia nanamafy ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa hotohizina ny fitsidihana ka ny Faritra Vakinakaratra indray no hotsidihana manaraka. Izany no natao mba hankaherezana ireo tratran’ny valan’aretina sy ireo mpitsabo ary nohamafisiny fa andraikitr’ity Andrimpanjakana ity ny mijery izay lesoka eny anivon’ireny toeram-pitsaboana ireny ka manao tatitra amin’ny Governemanta mba hitadiavana vahaolana mifanaraka amin’izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *